Hiova fiteny : Malagasy – Français
Tongasoa eto amin’ny site web TANY CHECK

IZA MOA TANY CHECK ?
Manan-danja sy masina loatra ho an’ny Malagasy ny tanindrazany !!
Noforonina ny kabinetra TANY CHECK mba ho entina manampy ny mpiara belona tratran’ny fahasahiranana amin’ny fikarakarana antontan-taratasy rehetra momba ny tany.
Olona manana traikefa maro eo amin’ny sehatry ny fananan-tany, lalàna, Fandrefesan-tany sns no mpikambana ao anatin’ny Kabinetra TANY CHECK.
INONA NY TANJON’NY TANY CHECK ?
Ny tanjona voalohany dia, ny hamaha ny olana rehetra mitranga eo amin’ireo mpanjiva, ary ao antin’ny FANAJANA tanteraka ny lalàna misy eto amin’ny firenena.
INONA NY TOLOTRA OMEN’NY TANY CHECK ?
Ireo sehatra sahanin’ny TANY CHECK

Mitady mpisolovava ve ianao ?
Ho fiarovana ny zonao dia afaka mampifandray anao amin’ny mpisolovava (avocat) izahay
Mila Notaire ve ianao ?
Afaka mampifandray anao amin’ny notaire izahay
Mila engins TP ve ianao ?
Miara miasa amin’ny orinasa manana fitaovana ampy ny TANY CHECK
Mitady torohevitra ve ianao ?
Manolotsaina anao ny ekipa TANY CHECK ahitanao ny tsara kokoa
Mila torohevitra ara teknika ve ianao ?
Manampy anao ny TANY CHECK na any amin’ny biraom-panjakana na eny an-tanety..
Mitady Geometre ve ianao ?
Manana geometre mpiara miasa ny TANY CHECK hanampy anao
Mila architecte ve ianao ?
TANY CHECK dia afaka mampifandray anao amin’ny architecte hampita ny nofinao ho tonga trano
Tolotra hafa
Fikarakarana bail emphytéotique
Manampy anao ny TANY CHECK hamadika izany ho varotra raha azo atao araky ny lalàna ny dosie anao
Fizarana fananana iombonana
Manampy anao ny TANY CHECK hanao ny fizarana eo amin’ny samy mpandova.
Fomba fanoratana
Afaka manampy anao ny TANY CHECK raha misy fikarakarana ilàna fahaizana manokana amin’ny fanoratana (redaction)
Fanamarinana atontan-taratasy
Misava sy manadiady ny taratasy rehetra ilaina ny TANY CHECK ho fiarovana anao amin’ny olana mety hitranga any aoriana.
Miara-miasa @ olona manana traikefa manokana
Miara miasa amin’ny olona manam-pahaizana sy traikefa manokana (Experts) ny TANY CHECK mba ahafantarana ny tombam-bidin’ny taninao
Fanamarinana fananan-tany (CSJ)
Tandremo, aza adino ny mampandre ny sampan-draharaha fananan-tany raha mifindra monina ianao. Sao misy ilana anao ka tsy ho tratra antso ianao vao ahazo olana !!!
Manan-kery 3 volana ny Certificat de Situation juridique.
Manan-kery 3 volana ny Certificat de Situation juridique.
Fizarana ara-pitsarana
Raha misy ny fifanolanana eo amin »ny samy mpandova dia manampy anao ny TANY CHECK any amin’ ny tribonaly hanao fizarana
Fizarana tany
Manampy anao ny TANY CHECK hanao fizarana tany (Morcellement)
Famindram-pananana
Manampy anao ny TANY CHECK hanatontosa ny famindrana ny tany amin’ny anaranao
Casier Judiciaire ? Bulletin N°3
Manampy anao ny TANY CHECK haka » Casier judiciaire »
Mila plan ve ianao ?
Manasa anao hiantso an’ny TANY CHECK
Tianao ho fantatra marina ve ny tantara sy loharano nipoiran'ilay dosie tianao ho karakaraina ?
Manampy anao mikaroka izany TANY CHECK
Vous avez un bien à vendre ?
TANY CHECK vous mettra en relation avec les meilleures agences immobilières.